<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>American song</author>
<title>Aina no fetra ry Tompo Mpanjaka FFPM298</title>
<lyrics>[V1]
 Aina no fetra, ry Tompo
 Mpanjaka !
 Aina no fetra anarahana Anao
 Ka ny faneva tsy maintsy ho
 zaka,
 Ny fanompoana tsy maintsy
 hatao.
 Indreto izahay hilanja faneva :
 Ilay hazo izay nanavotana
 anay.
 An-tsitrapo no anoloranay
 tena,
 Ka tano mba ho Anao izahay.

[V2]
 Aina no fetra ho enty-manoa
 Ilay Zanakondry nisolo anay ;
 Fandavan-tena sy fanaovan-
 tsoa
 No fianarana atolotra anay,
 Indreto izahay ..sns.

[V3]
 Aina no fetra, ry Tompo
 malala !
 Aino no fetran'ny fitiavanay ;
 Ka sanatria izay handao na
 hiala ;
 Mandrakizay, ho Anao izahay.
 Indreto izahay ..sns.

[V4]
 Aina no fetra, ny hofo anefa
 Mora mirona ho lavo indray,
 Ka manampia, ry Mpandresy
 mahefa !
 O ! mba tantano, hazòny
 izahay.
 Indreto izahay ..sns.

[V5]
 Aina no fetra, ka ampio,
 ry Fanahy !
 Aina no fetra, vonjeo e,
 ry Ray !
 Aina no fetra, izahay re no
 sahy ;
 Aina no fetra, handresy
 izahay.
 Indreto izahay ..sns.</lyrics>
<hymn_number>298</hymn_number>
</song>